INDRAY MIJERY

Tontosa ny fampiofanana ireo tanora ho mpandraharaha eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Naharitra 10 andro ny fiofanana nomena ireo tanora miisa 44 manana fikasana ho lasa mpandraharaha. Ity fiofanana ity no atao hoe “Fanomanana fikotrehana” (pré-incubation, deuxième cohorte) ka hita tao anatin’izany ny (Culture entrepreneuriale, Développement personnel, Ledearship, Idéation et GALS). Ny Program­me PROGRES, DRAE, DRJS Menabe no niara-nifarimbona tamin’ny DRETFP Menabe tamin’ny fanatanterahana ny fampiofanana. ‎Nisy ny fizarana mari-piofanana ho an’ireo izay naharitra sy nahatontosa hatramin’ny farany ny fiofanana. Ny alatsinainy 23 marsa kosa no hatomboka ny “troisième cohorte”.
Vehivavy 277 mpikambana ao anatin’ny vondrona Self Help Group (ONG St. Gabriel), no notoloran’ny BNGRC fitaovana fanadiovana sy fidiovana. Tokantrano 378 no nisitraka fizarana kojakoja an-dakozia avy amin’ny Welthungerhilfe tamin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny Start Network tao amin’ny fokontany Zafindramanoro. Natao ny fizarana ho fitandrovana ny fahadiovana sy ny fahasalamam-bahoaka ary ho fanamorana ny fiainana an-davanandron’ireo mponina. Natao teo anatrehan’ireo solontenan’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina, Croix rouge …ny fizarana, ho mariky ny mangarahara sy ny fiaraha-mientana amin’ny asa maha olona.
Misy valanaretina mifanesisesy teto amintsika, tokony hahatoky ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny vahoaka amin’ny vaksiny izay fitaovana mahomby, azo antoka sy mora mampiroborobo ny fahasalaman’ny olona. Nanambara ny profesora Ravelomanana Noelina filohan’ny GTCV fa azo antoka avokoa ny vaksiny miditra sy ampiasaina eto Madagasikara.

Partager sur: