Nampahafantarina omaly, teny Fiadanana, ny tatitry ny valim-pikarohana Life plan, natao nandritra ny dimy taona, teto amintsika eny anivon’ny faritr’ala 30.
Napetraka tamin’ireo toerana ireo ny fandrika fijerena ny karazam-biby any anaty ala, misy ny fandrika feo, ny sary ary ny fandrika bibikely. Nangonina ireo antontan-kevitra azo nandritra ny dimy taona ireo ary nohadihadiana avokoa. Nisongadina fa maro ny zava-baovao tsy mbola fantatra, indrindra ny mahakasika ny bibikely. « Misy bibikely sy zavamaniry maro tsy mbola voarakitry ny mpikaroka tany aloha hita taratra amin’ny vovo-boninkazo voarain’ny fandrika. Ho an’ny bibikely, 15% ihany no vita rakitra ny momba azy fa ny 85% taorian’ny fikarohana vao fantatra satria tsy mbola hitan’ny mpikaroka tany aloha », hoy ny mpitantana ny fikarohana Life Plan, Raharinjanahary Dimby.
Nisy fandrika napetraka tany anaty ala, nentina nanangona bibikely, ireo azo no natao fitiliana ADN ka avy amin’io no nahitana fa maro ireo vaovao ary misongadina fa tsy manampaharoa ny toerana misy azy. Samy manana ny bibikely mampiavaka azy ary tsy hita afa-tsy ao aminy ny ala rehetra miparitaka namandrihana. Nametrahana izany avokoa manerana ny Nosy, Andohaela, tangoron-tendrombohitr’i Ambre…
Hoentina manampy ireo mpanapa-kevitra amin’ny ala tokony harovana ny valin’ny fikarohana. Mbola maro ny bibikely tsy hita afa-tsy eto Madagasikara toy ny sahona…
Manome lanja ny ala sy ny fiarovana ny tontolo iainana ireo bibikely ireo, izay samy manana ny anjara asany ao anaty rohivoahary ka rehefa manjavona izy ireo dia maro ny zavatra tsy ho fantatsika. Noho ny fahasimban’ny tontolo iainana, mety mbola tsy ho vita ny fandraketana dia mety hanjavona ireo bibikely maro.
Voaporofo fa mety ilay fomba fanaraha-mason’ny mpikaroka ary mitady famatsiam-bola hanohizana izany ny mpiandraikitra ny tetikasa, ankehitriny. Efa manana traikefa rahateo ny Malagasy mpikaroka misehatra ao anatiny. Afaka miara-miasa amin’ny tetikasa fitrandrahana te handrefy ny fivoaran’ny ala ao aminy ireo mpikaroka.
Vonjy




