Fitsidihana tany Guinée Equatoriale: Azo heverina eto Madagasikara ny fitrandrahana solika goavana

Nitsidika an’i Guinée Equatoriale ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nambarany, taorian’izany, fa azo atao eto Madagasikara ny fitrandrahana solika goavana toy ny any an-toerana.

Ny soa mahatarika… Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, fa mampametra-panontaniana ny tsy fahazoan’i Mada­ga­sikara mamolavola sehatra mi­tovitovy amin’ny ao Guinée Equatoriale. Koa ilaina ny fijerena ifotony ny fahaiza-ma­nao, indrindra eo amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fikarohana loharanon-karena vaovao mihoatra ny efa nekena. Izay ny vokatry ny fitsidihany tany Malabo, Guinée Equatoriale, ny ivon-toerana lehibe mpamokatra ary mpanodina solifara sy entona voajanahary Punta Europa, tamin’ny 28 marsa lasa teo. Nampiroborobo ny famokarana faobe ary nandray anjara lehibe tamin’ny fanavaozana ara-toekarena any an-toerana io ivontoerana famokarana io, anisan’ny andry lehibe mampandroso ny sehatry ny angovo.

Efa 30 taona mahery ny asa fikarohana sy fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ary famokaranany amin’izany. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny sehatra sy rafitra ara-toekarena sy ny fidiram-bo­lam-panjakana izany. Mamo­katra 14 500 barila isan’andro, ohatra, ny solifara, ary entona voajanahary 20 000 m³ isan’andro ireo toeram-pitrandrahana roa any Malabo. Maha­tratra 136 000 m³ ny fahazoana mitahiry solika voahodina, ary atao isaky ny sivy andro ny fandefasana sy fanondranana izany an-tsambo.

Manan-danja stratejika ho an’i Madagasikara ny fitsidihana. Manasongadina ny fahazoana mifampizara traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny indostria, indrindra eo amin’ny angovo sy ny harena an-kibon’ny tany. Izay no nahatonga ny fametraham-panontaniana ny amin’ny tsy fahazoan’i Madagasikara ma­molavola sehatra mitovitovy amin’ny ao Guinée Equato­riale io. Azo heverina… Ilaina ny fampiasam-bola amin’ny fotodrafitrasa maoderina mba hampitomboana ny sanda ara-toekarena eto an-toerana

R. Nd.

Partager sur: