« Fondation de l’innovation pour la démocratie »: Manokatra sehatra amin’ny sosialy sy tontolo iainana

Notanterahina ny herinandro teo ny velakevitra misokatra ho an’ny rehetra nokarakarain’ny Fondation de l’innovation pour la démocratie. Niompana amin’ny karazan-javamananaina izany tamin’ity.

Nampahafantarina ta­min’izany fa manokatra sehatra malalaka ho an’ny rehetra izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarahamonimpirenena, ny mpianatra, ireo olobe na tangalamena ho an’ny fampiroboroboana ny sosialy sy ny tontolo iainana. Anisan’ny niatrika ny velakevitra momba ny hoavin’ireo karazan-javamananaina ireo mpianatra amin’ny toeram-piofanana eny amin’ny oniversite. « Zava-dehibe ho an’ny sampam-pianarana momba ny fambolena ny hetsika tahaka izao. Tafiditra amin’ny fiofanana sy ny fikarohana ary ny fitantanana ny zavaboahary », hoy izy ireo. Nohitsin’ireo tomponandraikitra kosa fa mitaky andraikitra izany, indrindra ho an’ireo tanora sy ny mpianatra, satria hoavin’ny firenena izy ireo ka mivonona hamolavola politikan’ny fitantanana ny harena sy ny ala na koa eo amin’ny sehatra sosialy sy ny hafa koa.

Tsy araka ny resaka

Nanamafy ny Pr Raza­fimahatratra Hery fa anisan’ny tafiditra amin’ny asan’ny Fondation ny fikarakarana ny hetsika tahaka izao, hanehoana sy hiresahana ny fananantsika izany. «Tsapa sy hita anefa fa tsy araka ny resaka ny misy eny an-kianja », hoy izy. Noraisiny ho ohatra ny fahapotehan’ny ala. Azo itarina amin’ny sehatra hafa izany ka nitakiany vahaolana mba tsy hijanona ho resabe fotsiny. « Ilaina ny mpanao lalàna fa ilaina koa ny rehetra eo amin’ ny fomba fitantanana. Anao­vana jery todika ny vola sy ny vokatra hita na ny asa vita », hoy izy. Natsidika tamin’izany ny hananganana vovonana hitondrana ny feo sy vahaolana maharitra ahafahana mandray fanapahan-kevitra na koa mamolavola lalàna. « Tafiditra amin’ny fanampiana ny fitondram-panjakana izany, ahafahantsika mandeha amin’ny tsaratsara kokoa », hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: