Fanohanana ny fahafaha-miarina: Nizarana tohana ny tokantrano 1 200 tao Ambatondrazaka

Novatsian’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny BNGRC, fanafody ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Alaotra Mangoro. Fa­nafody 126 baoritra no natolotra, tamin’izany, nahitana karazam-panafody hitsaboana ny tazo, antibiotique, antidiabétique, vitamine… miaraka amin’ ny fitaovam-pi­tsaboana maro.
Tonga teny amin’ireo to­kantrano miisa 1 200 tena marefo ao amin’ny kaominina Ambonivohitr’Ambatondrazaka, Feramanga Avaratra, Ambandrika, distrikan’Amba­tondrazaka, ny fiandohan’ny herinandro teo ireo fanampiana avy amin’ny BNGRC. Ho fanohanana ny fahafaha-miarin’ireo tokantrano izany. Vary 12 000 kg, voamaina 2 310 kg, menaka 1 200 l, lamba firakotra 1 200 ary koveta 1 200 no notsinjaraina. Hitohy any amin’ireo kaominina roa ao anatin’ny distrikan’Amba­tondrazaka sy kaominina telo ao anatin’ny distrikan’Ampa­rafaravola ny hetsika fanarenana.
Nahazo ny anjara fanampiana koa ny tokantrano 400 tena marefo ao amin’ny kaominina Antetezambaro, distrikan’i Toamasina II ho fanohanana ny fahafaha-miarin’izy ireo. Ny BNGRC no nisahana ny fizarana. Vary 5 000 kg, voamaina 1 000 kg, menaka 400 l, lamba firakotra 400 ary fitaovana fanadiovana sy fidiovana ho an’ny vehivavy 400 isa no natolotra tamin’izany.
Hitohy any amin’ireo kaominina efatra, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina II, sy distrikan’i Brickaville, ny hetsika.

Vonjy

Partager sur: