Nisy nitory eny anivon’ny Bianco ny filohan’ny oniversiten’ny faritra Itasy. Maromaro ny anton’izany, araka ny loharanom-baovao.
Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany fitoriana izany ny fisandohana andraikitra sy fiahiahiana fanodinkodinam-bola hatrany amin’ny dimy tapitrisa Ariary. Manampy izany koa ny nakana fiarabe miisa efatra, tsy nifanaraka amin’ny dingana ara-dalàna tokony harahina.
Mifandraika amin’izany indrindra ny fanambarana nataon’ireo tanora Gen Z any an-toerana, telo andro mialoha izao fitoriana nalefa eny amin’ny Bianco izao. Nanao antso avo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ireto tanora ireto ary mitaky vahaolana koa amin’ny fitondram-panjakana. Tanisain’izy ireo ao anatin’izany ny fanararaotam-pahefana mihoa-pampana ataon’ny filohan’ny oniversite any an-toerana. « Efa fanaony hatramin’ny naha
filoha lefitra azy teny amin’ny oniversite Ankatso izany fomba fiasa sy didy jadona izany », hoy ireo Gen Z.
Nohitsin’izy ireo koa fa tapitra afaka fotoana fohy ny fe-potoana iasany. Mandeha sy miely anefa ny feo fa ny havany na ny zanany ihany no hapetraka eo amin’ny fitaleavana, hisolo azy. « Aiza ho aiza ilay Fanavaozana raha mbola manjaka ny fampidirana fianakaviana anaty fitantanana sy ny toe-tsaina lo manjaka eo anivon’ny fampianarana ambony? », hoy ny fanontanian’izy ireo.
Manoloana izany, nambaran’ireo Gen Z any Itasy ireo fa mila olona manana ny fahaiza-manao ny tontolon’ny fampianarana ambony. « Tsy azo ekena ny fanaovana ramatahora sy famoretana hihazonana fahefana », hoy izy ireo. Manao antso amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa izy ireo hidina ifotony sy handray andraikitra dieny mbola tsy rotika ny hoavin’ny mpianatra any Itasy.
Synèse R.




