Tsy fanjarian-tsakafo ; Nankatoavina ny fandaharam-piofanana

Nisy ny atrikasa fankatoavana ny fandaharam-pampiofanana momba ny fitsaboana sy fanentanana ho an’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ity herinandro ity, no nanatanterahana izany. Tanjon’ny tahirin-kevitra enti-manofana ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpia­san’ny fahasalamana. Eo koa ny fanatsarana ny fahaizan’ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony. Tafiditra ao koa ny hitiliana ny fahatarana eo amin’ny fivoaran’ny ankizy sy hanaraha-maso akaiky ny fitsaboana sy fanentanana ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Zava-dehibe ny fananana ity tahirin-kevitra ity, ahitana toro­lalana mazava sy fampiharana natao ho an’ny mpiasan’ny faha­salamana sy ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony.
«Ny fahasalamana no harena sarobidy indrindra », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Randrianambinina Ephraïm Stephanson. Izy izay nano­katra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa fankatoavana ny “Curriculum de formation sur la thérapie de stimulation des enfants malnutris”.

Vonjy

Partager sur: