Ny herinandro ho avy izao, hidina any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana ny fitondram-panjakana, amin’ ny alalan’ny BNGRC, ny minisiteran’ny Mponina, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) ary ireo mpiara-miombon’antoka. Hitondra fanampiana ho an’ireo olona izay ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy tsy fahampian-tsakafo izy ireo. Tao anatin’ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiantsehatra mivondrona ao amin’ny Cric, tamin’ity herinandro ity, no nizarana ny zava-misy any an-toerana. Teo ambany fitarihan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC. Nandray fanapahan-kevitra ireo mpivory fa hitodika maika any Atsimo ny fitondram-panjakana hifehezana haingana izany toe-javatra izany tsy ho lasa lavitra.
Hiainga ny faran’ny herinandro izao ny fanampiana avy eto Antananarivo, hihazo ireo kaominina izay efa manangasanga ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Laharam-pahamehana amin’izany ny fanohanana ireo zaza amam-behivavy.
Marihina fa distrika maromaro, ao anatin’ny faritra enina, no arahi-maso akaiky ny tsy fanjarian-tsakafo ao aminy: Androy, Anôsy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Fitovinany ary Vatovavy.
Vonjy




