Tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Antsiranana ny Malagasy 27 sy vahiny miisa enina saika hiondrana antsokosoko ho any Mayotte. Tazomina ao amin’ny biraon’ny zandary izy ireo hatramin’izao.
Olona miisa 33 mianadahy saika hiondrana antsokosoko any Mayotte nosamborin’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Antsiranana, ny 30 marsa lasa teo. Nitoby tamin’ny toerana iray ireo mpandeha ireo ka nifatratra tanatin’ny sambokely izay niainga teo Ampasindava. Ny mpiandraikitra ny Sambo Oxord izay tompon’antoka tamin’ny fitanterana ireo olona ireo. Nahazo loharanom-baovao marim-pototra ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Nanao fisafoana tamin’ny toerana manodidina sy nijery ifotony ny zava-nisy. Olona miisa 33 mianadahy indray tra-tehaka tao anatin’io sambokely io. Natsahatra avy hatrany ny sambo. Nentina nihazo ny biraon’ny zandarimaria ireo mpandeha rehetra tao anatiny. “Malagasy avokoa ny 27 mianadahy tamin’ireo 33 tratra”, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Teratany vahiny, araka izany, ireo enina namany.
Hentitra ny tomponandraikitra
Ankoatra io, nahatrarana solika 460 litatra izay efa nafatratra tao anaty zerikanina mavo am-polony tao amin’io sambo io. Nogiazan’ny manam-pahefana avokoa ireo entana ireo. Tsy manana taratasy mazava ahafahana miditra any Mayotte ireo mpandeha ireo. Marihina, maro ny olona avy amin’ny firenen-kafa izay samborin’ny tomponandraikitra ao Mayotte. Mpifindra monina antsokosoko avokoa ny ankamaroan’izy ireo ary misy Malagasy.
Tsiferana R.




