Nomarihina teny amin’ny EPP Vohibola Ampandrana, omaly, ny Andro maneran-tany hankalazana ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny autisme, antsoina hoe «olona hafakely», eto amintsika. Nanamarika izany ny fitokanana ny tranon’ny autisme, ahitana efitrano roa, ao anatin’ny EPP. Fandraisana anjara avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho fampisitrahana ny zo hianatra ho an’ny ankizy hafakely izy io. Misy ny toerana fandraisana ny ankizy hafakely fa mitaky sarany, matetika mavesatra ho an’ny ray aman-dreny. “Eo anivon’ny EPP, sekolim-panjakana, mihena ny sarany ho an’ny ray aman-dreny satria tsy handoa hofantrano ireo fikambanana handray an-tanana ireo ankizy. Tanjona ny hananan’ny ankizy fahaleovan-tena ka rehefa voafehiny izay dia afaka hisitraka fampiofanan’asa izy ireo”, hoy ny talen’ny fampianarana tsy manara-drafitra ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, i Mamba Dieudonné. Manerana an’i Madagasikara, misy sekolim-panjakana 15 manana «classe integrée passerelle» afaka mandray ireo zaza manana fahasembanana mavesatra. Toerana nandraisana ny ankizy manana toe-tena trisomique nanomboka ny taona 2024 ny eto amin’ny EPP Vohibola ary hiampy ireo ankizy autiste manomboka izao. Tanjona ny hisian’ny sekoly vaovao afaka handray toy izao isan-taona.
Anisan’ny mpanohana ny fikambanana Autisme Madagascar ny orinasa Colas, tao anatin’ny telo taona izay. “Teo ny fampitaovana ho an’ny ankizy manana toe-tena hafakely amin’ny faritra maromaro sy ny tranon’ny autisme ao amin’ny EPP Vohibola”, hoy ny solontenan’ny orinasa, Raharimalala Rojo.
Vonjy




