Fikambanan’ny farmasianina eto Madagasikara: Handray ny kongresin’ny FPOI

Handray ny kongresin’ny Federasionin’ny farmasianina matihanina eto amin’ny ranomasimbe Indiana (FPOI), an­diany faha-31, ny fikambanan’ ny farmasianina eto Madaga­sikara (APM). Hotontosaina ny 9 sy 10 avrily, eny amin’ny CCI Ivato, ny fivoriana, iara­hana amin’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Fikambanana mampivondrona ny farmasianin’ny firenena eto amin’ny ranomasimbe Indiana ny FPOI, ahi­tana an’i Maorisy, Comores, La Réunion ary Madagasikara. “Tanjona ny hanamafy ny firaisankina sy hampiroborobo ny fifanakalozana siantifika sy teknika. Eo koa ny hametraka sehatra iombonana handini­hina ny olan’ny fahasalamam-bahoaka eto amin’ny faritra”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny APM, Randrianaivo Hor­tense.
Natao hanamafisana ny fanofanana mitohy sy hampivoarana ny kalitao eo amin’ny sehatry ny farmasia ny fihaonana. Hetsika hampivondrona farmasianina, matihanina
amin’ny fahasalamana, mpikaroka ary manampahaizana ara-tsiantifika eto an-toerana sy eto amin’ny ranomasina Indiana izy ity. Lohahevitra voafidy ny “Santé et nutrition: enjeux pharmaceutiques, in­novations et perspéctives en santé publique ». Maneho ny fanamby sy vina atrehin’ny rafitra ara-pahasalamana amin’izao fotoana izao sy manasongadina ny andraikitry ny farmasianina eo amin’ny fitsaboana, sakafo ara-pahasalamana ary ny fahasalamam-bahoaka izany. Mizara fivoriana efatra ny kongresy izay tarihin’ ny manampahaizana ambony sy matihanina amin’ny sehatra misy azy avy.

Vonjy

Partager sur: