Oniversitén’i Toamasina : Tontosa ny semineran’ny ” École doctorale”

Tontosa ny zoma 27 marsa lasa teo, tao amin’ny trano fisakafoana “La Marmite “-Mangarano, ny semineran’ny «Ecole doctorale», nandraisan’ireo mpisehatra rehetra manerana ny Nosy sy ny solontena avy any Rouen sy Frantsa anjara. « Fampia­ka­rana ambony ny lanjan’ny oniversité malagasy izao fahavitan’ny seminera iraisam-pirenena izao », hoy ny talen’ny École doctorale de 3D Toamasina, ny Dr Dahy Ioclin. Nankasitraka ireo mpandray anjara rehetra tonga nanatrika izany sy ny ezaka vita ihany koa ny filohan’ny oniversité, ny Dr Razafindrakoto Diny.
Manodidina ny 172 ny mpianatra ao amin’ny ” École doctorale de 3D ” Toamasina. Ahitana taranja efatra isafidianana, toy ny fahasalamana, ny sosialy, ny fampandrosoana maharitra ary ny mahakasika ny fampianarana. Se­minera iraisam-pirenena nandrafetana ny paikady ho entin’ny mpiofana miatrika mandritra ny telo taona io natao io. Tonga nanatrika izany ireo mpiofana mahakasika ny tohan-kevitra ahazoana ny diplaoma doctorat. Marihina fa hetsika indroa isan-taona ny seminera fampiofanana tahak’izao.

Sajo

Partager sur: