Natolotra an’i Stephan Dipita, mpanao hatsikana Camerounais, ny amboara, vola 4 000 euros, natokana ho an’ny mpandresin’ny “Prix Talenbts du rire 2022” andiany fahavalo. Nandritra ny famaranana ny “Festival Abidjan Capitale du rire” tany Cote d’Ivoire, ny Alahady 12 febroary 2023 no nanatanterahina izany.
Mitohy hatrany ny fanatanterahina ny vina apetraky ny mpikarakara ity fifaninanana ity ny amin’ny famoahana talenta vaovao eo amin’ny hatsikana. Mpanao talenta vao misandratra avy ao Cameroun i Stephan Dipita. Mampiavaka azy ny fanaovany hatsikana momba ny zava-misy ankehitriny. Mipaka sy mandona ny mpijery avy hatrany ny hatsikana ataony. Isan’ny nahatonga azy ho voatsonga ao anatin’izao fifaninanana izao ny tetikasany “Reseaux Sociaux, l’amis d’aujour’hui”.
Stephan Dipita, araka izany, no nandrombaka ny andiany fahavalo amin’ity fifaninanana ity. Hatramin’izao aloha mbola ny dingan’ny famaranana no tongan’ny solotenan’i Madagasikara farany. Ranarivelo Lahatra Sombiniaina na Sombiniaina no nisolotena antsika tamin’ity fifaninanana ity. Isan’ireo 10 voatendry ho fidiana ny handrombaka aty Afrika izy. Ny fifaninanana izay natokana ho an’ny mpanao hatsikana eto Afrika sy ny faritra karaiba.
Lin (Mpianatra asa)