Fandaharanasan’ny Fondation Orange : Niroso amin’ny fampianarana niomerika ny EPP Ihosy

Laharam-pahamehana ho an’ny Orange Madagascar ny fanabeazana sy ny fanohanana ny ankizy hilofo amin’ny fianarana. Tetikasa roa no hampiharina manerana ny Nosy hanapariahana ny fampianarana niomerika sy hanohanana ny fiverenana an-dakilasy.

Niroso tamin’ny fampianarana niomerika koa ny EPP Ihosy, ny fiandohan’ity herinandro ity, ao anatin’ny fandaharanasan’ny Fondation Orange. Notolo­rana ny fitaovana entina mianatra miaraka amin’ny teknolojia vaovao ny sekoly. Ahi­tana tablette 25, serveur, cas­que audio… Mpianatra 300 no hahazo tombontsoa hiditra amin’ny fampianarana maoderina manomboka izao. Mandritra ny volana mey ho avy izao, hisy ny atelier supercodeurs hifehezan’ny ankizy ny tontolo niomerika. Nape­traka ny taona 2014 ny sekoly niomerika, mahatratra 286 ireo nitsangana hatramin’izao manerana ny Nosy ary mahakasika ankizy 400 000 isan-taona.
Mampivoatra ny fisitra­han’ny rehetra ny tontolo niomerika ny fandaharanasan’ny Orange Madagascar, indrindra ho an’ny fampianarana. Misy fiantraikany tsara amin’ny fampitana fahalalana takin’ny vanim-potoana ankehitriny ny tetikasa ary hahazoan’ny mpianatra monina any amin’ny toerana saro-dalana mikirakira ny niomerika.
Amin’ity taom-pianarana ity, sekoly 19 vaovao no handray ny fampianarana niomerika, manohana izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Nizarana fitaovam-pianarana 60 koa ny mpianatra mendrika tao amin’ny EPP centre II sy tao amin’ny EPP Ankily. Ireo mpianatra nisongadina tamin’ny telo volana voalohany, tafiditra amin’ny tetikasa “Back2school”, no nahazo ny fitaovana. Tetikasa vaovao nosantarina tamin’ity taom-pianarana 2025-2026 ity ny Back2school, vatsian’ny Fondation Orange.
Manohana ny ankizy hifototra amin’ny fianarana ny tetikasa sady manomana ho an’ny fanadinana ihany koa. Mpianatra 3 750, avy amin’ny sekoly 80, no misitraka ny tetikasa hatramin’ity volana ity.

Vonjy

Partager sur: