Marary ny orinasa malagasy mpamokatra fanafody amin’izao fotoana izao. Tamin’ny taona 1960 ka hatramin’ny 1990, nitazona ny 40% ny tsenan’ny fanafody ny orinasa mpamokatra fanafody Farmad.
Karazam-panafody sy vokatra fikojana tarehy, volo, hoditra niisa 150 no novokarin’ity orinasa ity teto an-toerana. Ankehitriny, 15 eo ho eo sisa ny fanafody volavolainy noho ny olana samihafa. Anisan’izany ny haavon’ny hetra amin’ny akora fototra ampiasaina sy ny kojakoja samihafa alain’ny fanjakana. “Efa misy ny fiaraha-midinika hijerena vahaolana, ankehitriny, miaraka amin’ ny mpitantana ny firenena momba ny marimaritra iraisana ho an’ny orinasa mpamokatra fanafody simika eto amintsika”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny farmasianina eto Madagasikara (APM), Randrianaivo Hortense.
“Mahazo vahana, amin’izao fotoana izao, ireo orinasa mpamokatra fanafody avy amin’ny zavamaniry toy ny IMRA, Homeopharma, Masoala, Vaniala… izay misehatra anatin’ny asa manara-drafitra ka mila tohanana”, hoy ny nambarany.
Tany amin’ny taona 1990, niova ny paikady nampiharin’ny fanjakana rehefa nahatsapa fa sahirana ny ankamaroan’ny Malagasy mividy fanafody. Nampidirina teto amintsika ny fanafody fototra fa misy fepetra napetraka kosa mifandraika amin’izay. Natsangan’ ny minisiteran’ny Fahasalamana, nanomboka teo ny « Agence de médicament » misahana ny fanaraha-maso ny fanafarana fanafody avy any ivelany sy ny fampidirana izany eto Madagasikara.
Mbola olana sedrain’ny mpivarotra fanafody matihanina ny varotra fanafody tsy ara-dalàna manerana ny Nosy. Efa misy ny vaomiera iarahan’ny minisitera maromaro: Fahasalamana, Varotra, Fitsarana, Filaminam-bahoaka hiadiana amin’izany. “An-dalana ny hetsika iraisana satria loza ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fisian’ny fanafody tsy ara-dalàna”, hoy ny mpikambana ao amin’ny APM, Rasamoelinarivo Mbolamalala.
Misokatra anio, eny Ivato, ny fivoriana faha-31 ny Federasionin’ny farmasianina matihanina eto amin’ny ranomasimbe Indianina (FPOI). Haharitra roa andro ny hetsika, andraisan’ny farmasianina sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny mpikaroka anjara manodidina ny fahasalamana sy ny sakafo.
Vonjy




