Fanomezan-danja ny fikarohana: Nitsidika ny Ioga ny minisitra mpiahy

Ao anatin’ny vina fampiroboroboana ny fikarohana, nitsidika ny “Institut et observatoire de géophysique d’Antanana­rivo” (Ioga) ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambo­ny sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, tamin’ity herinandro ity, teny Ambohi­dempona. Nanotrona azy teny an-toerana ny delegasionina notarihin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo sy ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa. Notsidihina ireo laboratoara dimy mandrafitra ny asa fikarohana ao amin’io ivontoerana io. Tafiditra ao anatin’ny fanohanana ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fikarohana sy ny fanavaozana ara-tsiansa miaraka amin’ny oniversiten’Anta­nana­rivo izany.
Ivontoerana siantifika voalohany teto Madagasikara ny Ioga. Niorina ny taona 1889. Misehatra amin’ny “géophysique” ka mitantana azy, ankehitriny, ny Pr Rakotoniaina Solofoarisoa.
Zava-dehibe ny fanohanana ireo fotodrafitrasa siantifika satria mitana anjara toerana amin’ny fampandrosoana maharitra.

Vonjy

Partager sur: