50 taona nanofanana tanora ho lasa injeniera momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny sampam-piofanana ingénierie minière eny amin’ny Sekoly ambony politeknika.
Hanamarika ny faha-50 taona nijoroany ny sampam-piofanana ingénierie minière ao amin’ny Sekoly ambony politeknika Antananarivo, amin’ity taony ity. Hanomboka ny 24 avrily ho avy izao, ary hifarana ny 4 desambra ny hetsika. Manao antso amin’ny maintimolalin’io sampam-piofanana io, nahita soa avy amin’ny fianarana norantovina teny Vontovorona, ny filohan’ny vaomiera mpikarakara ny faha-50 taona sady mpampianatra, ny général de division aérienne, Randrianirina Jean José Désiré, omaly.
Zava-dehibe ny fiverenana eny amin’ny toerana nanovozana fahalalana satria ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara. Niorina ny taona 1976 ny département mines teo anivon’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona hanofana injeniera momba ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany ka ny taona 1978 no nivoaka voalohany ny ingeniera telo mianadahy. Rehefa niditra amin’ny rafitra LMD ny sehatry ny fampianarana ambony, teraka ny sampam-piofanana ingénierie minière, ny taona 2015.
47 ny andiany injeniera efa nivoaka, misy mpianatra injeniera nahazo diplaoma 848 ary valo ny andiany amin’ny géo energie, misy mpianatra 200 efa nahavita fianarana.
Ho an’ny fisantarana ny fanamarihana ny 24 avrily, hapetraka eny an-toerana ny vatofototra hananganana efitrano manokana ho an’ny mpampianatra. Tsy mbola nanana izany izy ireo tao anatin’ny 50 taona. Hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana ho fiarahan’ny rehetra mikorana. Eo koa ny fampirantiana ny asa rehetra hotanterahina mandritra ny taona 2026 ary ny fandraisana ny tolo-tanana ho fananganana ny efitrano ho an’ny mpampianatra. Mamarana azy ny dinikasa hizaran’ny zoky maintimolaly ny zandry mpianatra.
“Andry ary sehatra nampidi-bola ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, raha tarafina amin’ny orinasa QMM, Ambatovy… Marisarisa anefa ity sehatra ity ka hidinika amin’ny hahafahana manampy an’i Madagasikara ireo injeniera”, hoy ny filohan’ny vaomiera mpikarakara ny faha-50 taona.
Vonjy




