Notanterahina omaly, tao amin’ny INPF Ivato, ny lanonana ofisialy fanolorana ny asa fanarenana sy fampitaovana ireo atelier de mécanique ao an-toerana. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny mpiara-miombon’antoka (FCE) izany.
Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Dr Andriamampandry Todisoa Manampy. Notronin’ny ben’ny Tanànan’Ivato, Randrianarisoa Penjy sy ny solontenan’ny mpiara-miombon’antoka ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo amin’ny sehatry ny fanofanana arakasa ny hetsika.
Nohamafisin’ny minisitra mpiahy fa vonona hatrany ny minisitera hiara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Taorian’izay, nisy ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra nataon’ ny minisitra sy ireo mpandraharaha sy mpampiofana ary ny mpiofana.
Vonjy




