Minisitry ny Mponina sy ny firaisankina: Nanolotra fanampiana ho an’ny sokajin’olona maro ao Toamasina

Feno ny fitsidiham-paritra voalohany nataon’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, tao Toamasina, ny herinandro lasa teo.

Nitondrany ny anjara birikiny avokoa rehefa zavatra maharary ny vahoaka. Nanolotra fitaovana ho an’ireo olona manana fahasembanana, nahitana tehina sy seza misy kodiarana ary karazan-tsakafo maro, izy. Nitohy tao amin’ny CRJS sy Foyer Sosialy Canada misy ireo traboina tsy mbola afaka miverina amin’ny trano fonenany ny hetsika. Notoloran’ny minisitra fanitso sy karazan-tsakafo ary fitaovana an-dakozia koa ireto farany, satria ny minisiteran’ny Mponina dia minisiteran’ny vahoaka malagasy rehetra. Nitsidika ireo mpanao asan’ny Jirama “prestataire” roa lahy naratra, main’ny herinaratra teo am-panatanterahany ny asany tetsy Ambalamanasy, tao amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno koa ny minisitra.
Nijery akaiky ny foiben-toeran’ny BNGRC Toamasina sy ny sampana misahana ny fanarenana ny fotodrafitrasam-panjakana simba vokatry ny rivodoza Gezani izy ary nanadihady ny fizotran’ny asa. Voaresaka koa ny momba ny famerenana ny herinaratra isan- tokantrano sy ny endriky ny tanànan’i Toamasina ma­noloana ny araben’ny Faha­leovantena. Nanomboka koa ny fanarenana ny biraon’ny sampandraharahan’ny Mponina sy firaisankina ao an-toerana.
Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny minisitra nandritra ny fitsidihany. Nohamafisiny fa ny mpanao gazety no solombavambahoaka voalohany eny ifotony mitondra ny feon’ny vahoaka amin’ny lafiny maro. Nitafa tamin’ny fikambanan’ny mpanao gazety, no­tarihan’ny filohany Sabotsy José, izy ka tapaka fa hisy ny fiaraha-miasa sy fifanakalozam-baovao amin’ny roa tonta momba ireo lafin-javatra maro hiakinan’ny rafi-piaraha-monina.

Sajo

Partager sur: