Fanadihadiana ny Fiainan’ankohonana : Hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

Nisy ny fampahafantarana ny voka-panadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana “MICS 7” nandritra ny taona 2024 sy 2025. Fanadihadiana notanterahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Instat, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Unicef, ny Banky iraisam-pirenena ary ny USAID. Anisan’ireo loharanom-baovao manan-danja indrindra, momba ny toe-pahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny fianakaviana eto Madagasikara izy io. “Fanadihadiana mifototra amin’ny porofo sy antontanisa marina sy azo itokisana hanampy amin’ny fandrefesana ireo tondro (indicateurs) mifandraika amin’ny fiahiana ny reny sy ny zaza ary ny fanjarian-tsakafo”, hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Anisan’ny votoatin’ny vokatra naseho ny tahan’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza, ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana ireo zaza, ireo vakisiny voalohany atao amin’ny zaza, ny toe-batana ara-tsakafo ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona.
Fitaovana hanampy betsaka amin’ny fanamafisana ny ezaka amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny vokatra azo. Hitondra fanatsarana ihany koa ho an’ny fandaharanasa ho an’ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony sy hampihenana ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara.

Vonjy

Partager sur: