Fikaonandoham-paritry ny polisy: Tanjona ny hametrahana fandriampahalemana maharitra

Tontosa teny amin’ny Lapan’ny Teny tonga nofo Ambatobe, omaly, ny fikaonandoham-paritry ny Polisim-pirenena eto Analamanga. Natao hanamafisana ny rafitra sy ny politikan’ny fitandroana filaminana maharitra izany.

“Ahoana ny endriky ny Polisim-pirenena amin’ny taona 2036”, io ny lohahevitra nodinihina nandritra izany. Natao hanamafisana ny rafitra sy ny politikan’ny fitandroana filaminana maharitra ary hanomezana torolalana hentitra amin’ny fihavaozana sy fanavaozana ny fomba fiasa ho an’ny Poli­sim-pirenena ny hetsika. «La­haram-pahamehana ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra amin’ny ankapobeny», hoy ny contrôleur général de police Tsara­mo­nina Ravony Jean Victor, Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena. Tanjona ny hamahana ny olana mahatonga ny elanelana eo amin’ny vahoaka sy ny polisy. Eo koa ny hanatsarana hatrany ny fomba fiasa, hamaly tokoa ny hetahetan’ny vahoaka sy hahafahana miatrika ny ambana tsy fandriampahalemana ary hirosoana amin’ny matihanina hatrany. « Andraikitra iombonana ny filaminam-bahoaka, ary fototra mampahomby ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena sy ny vahoaka », hoy ihany izy.
Nitarika ny fotoana ny commissaire principal de police Rafalimanana Alain Adonis, Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Analamanga. Nano­trona izany ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny contrôleur général de police Tsaramonina Ravony Jean Victor sy ireo manam-pahefana ary tomponandraikitra maro. Marihina fa efa nahatontosa ny fikaonandoham-paritra avokoa ireo Fitale­avam-paritra rehetra manerana ny Nosy. Hisy ny fandravonana ny ventin-kevitra rehetra ary hisy ny tatitra mahakasika izany.

Mino

Partager sur: