Miditra amin’ny ampaham-potoana farany hoentina miatrika fanadinana ny mpianatra, eto Madagasikara, manomboka anio. Mitaky ezaka sy fiomanana mafy izany.
Miverina an-dakilasy, manomboka anio, ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana sy ny tsy miankina rehefa nahavita ny fialan-tsasatry ny Paska. Miditra amin’ny roa volana fahadimy mamarana ny taom-pianarana izy ireo. Fanaovana famerenana ny lesona vita rehetra izany. Ho an’ny mpanala fanadinam-panjakana dia fotoanan’ny famerenena matotra tanteraka. Tsy ambakan’izany ireo mitady ny fomba hifindrana kilasy.
Raha ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra, tsy tokony hisy intsony ny lesona vaovao. Heverina fa efa nahavita ny fandaharam-pianarana avokoa ny mpampianatra. Mifantoka amin’ny famerenana ny rehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanamafisana ny fitadidiana sy izay tsara ho fantatra. Fotoana hanomezan’ny mpampianatra ny toro-marika faramparany.
Fahasalamana
Araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana, tsy tokony hisy intsony ny fiaretan-tory diso tafahoatra amin-javatra tsy mahasoa. Anisany hanentanana ny mpianatra ny fialana amin’ny fandaniam-potoana amin’ny tambajotran-tserasera. Toraka izany ny fialana amin’ny zavatra na fomba fanao mampikorontan-tsaina.
Mitaky ezaka amin’ny ray aman-dreny ihany koa izany. Indrindra ny fanaraha-maso ny fianarana sy ny fitondran-tenan’ny zanany. Anisan’izany ny fanohanana mahakasika ny sakafo sy ny tohana ara-tsaina.
Tsiahivina fa afaka roa volana dia hiatrika ny fanadinana CEPE ny ankizy madinika: Ny 16 jona. Ny alatsinainy hatramin’ny 9 jolay ny fanadinana BEPC. Ho an’ny mpiadina Bakalorea ankapobeny dia ny alatsinainy 20 hatramin’ny 24 jolay. Mifanindran-dalana amin’izay ny fanadinana bakalorea teknolojia, teknika ary arakasa, tapany voalohany. Hotanterahina ny 27 hatramin’ny alakamisy 30 jolay kosa ny tapany faharoa.
Tatiana A




