Isoraka sy ny manodidina : Ahena ny ambana amin’ny loza mety hitranga

Nampiantso fivoriana maika, nidina ifotony teny amin’ny Rue de la Russie, Isoraka ny BNGRC niaraka tamin’ny ekipany nijery ny loza mitatao sy manambana eny an-toerana.
Efa nisy ny fitarainana avy amin’ny mponina mahakasika ny fihotsahana mety hitera-doza ka nandraisana fanapahan-kevitra ny fijerena akaiky ny tranga.
Tsikaritra taorian’ny fidinana ifotony fa misy fivoahan-drano betsaka manodidina ny biraon’ny Federasionina malagasy ny baolina kitra. Ny rotsakorana nifanesy rahateo nahatonga fahalemen’ny tany. Manginy fotsiny ny tsy fanajana ny fetran’ny lanjan’ny fiara mivezivezy. Ankoatra izany, ny fitriaran’ny lalana sy fihetsehan’ny haavon’ny tany.
Noraisina avy hatrany ny fepetra mba hampihenana ny vokatry ny loza mety hitranga. Nohamarinana ny fantsona sy ny lakandrano rehetra eny amin’ny manodidina ny toerana. Noentanina ny mponina isan-tokantrano hanara-maso ny fantson-dranony avy. Tohizana ny fanadihadiana ara-teknika.
Niara-nientana teny an-toerana sy nandray ny andraikitra tandrify azy avy ireo tale sy solontena ara-teknika avy amin’ny BNGRC, ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny foibe famantarana ny toetry ny andro, ary ny Jirama.
Tsy takona afenina ny loza mitatao amin’ny faritra ivezivezeana eo Isoraka, koa mila fahamailoana sy fitandremana avy amin’ny rehetra.

Tatiana A

Partager sur: