INDRAY MIJERY

Ho fanamafisana ny fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina Mpox eto amin’ny faritra Analamanga, nanolotra fitaovana ho an’ny sampandraharaham-paritry ny fahasalamam-bahoaka ny Croix-Rouge Mala­gasy. Natolotra tamin’izany ny fitaovana momba ny fahadiovana sy fidiovana hanohanana ny ezaka amin’ny fisorohana sy ny fitsaboana. Misy distrika hafa koa nahazo fanomezana mifanaraka amin’ny filany, ao anatin’ity hetsika manokana ity.
Natao ho an’ny rehetra ny vaksiny miaro amin’ny Mpox ary maimaimpoana izany. Maro ireo tobim-pahasalamana hahafahana manao ny vaksiny. Ho an’ny eto Antananarivo, ahitana izany ny ao amin’ny CTI Anosy Avaratra, CSBII Ankadikely, Alasora, Ampahimanga, Ambohimalaza, HJRB Befelatanana.
Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambo­ny sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanan­tsoa Nda­ohialy Manda-Vy, ny delegasionina avy amin’ny oniversiten’i Saint-Pétersbourg any Rosia. Tanjona ny hamerenana sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny oniversite eto Madagasikara sy any Rosia. Efa nisy rahateo ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny 8 aprily 2026 teo amin’ny Oniversiten’i Saint-Pétersbourg sy ny Oniversiten’Antananarivo.

Partager sur: