Hazandranomasina : Tsara ho fantatra ireo trondro manapoizina

Mampahatsiahy ny minisitry ny Jono ny amin’ny tsy tokony hihinanana ireo karazana hazandranomasina mihinana lomotra misy poizina rehefa vanim-potoana mafana toy izao. Raha ohanina izy ireny dia manapoizina avy hatrany ny olona mihinana azy ihany koa ary mety hitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voavonjy haingana. Maromaro ny tranga niseho tato ho ato ka anaovana ny fanairana indray.

Maro ireo karazan-trondro tsy tokony hohanina ary tokony hisy famantarana izany amin’ny alalan’ny petadrindrina eny amin’ny morontsiraka sy amin’ny toerana fivezivezen’ny olona ary ireo mpanjono.

Anisan’ny tsy tokony hohanina rehefa mafana toy izao ireo karazana akio na ny atsantsa, filamalandy, karapapaka marotaolana, ambatsy harana, angoa, besisika na geba, sardine, amalom-bato, ny rouget na lagnorana, treotreo, ny lagnoram-pisaka, lomena, bekapitsy.

Misy koa ireo hazandrano tsy fihinana mihitsy na mafana na mangatsiaka fa tena poizina tanteraka toy ny botata, aombirano, voalavorano, botanam-pasika, fia mainty, amila, fano hara na fano sisika toy ny sokatradranomasina, fanofotsy…
Ankoatra ireo ny hazandrano manapoizina mandritra ny vanim-potoana fanatodizany toy ny botana, botala…

Tatiana A

Partager sur: