INDRAY MIJERY

Tetsy amin’ny “Lycée Moderne” Ampefiloha no nanatanteraka ny fananganan-tsaina omaly ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Notolorana fankasitrahana ireo mpianatra miisa 50 izay nandray anjara feno tamin’ny fankalazana ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947. Nihaino ny hetahetan’ny mpampianatra sy mpandraharaha ao amin’ity sekoly ity ihany koa ny minisitra ary nanolotra “vidéo-projecteur” miisa 02.

Ho fiaraha-miasa sy fitsinjovana ny maha olona dia manome tanana ny CUA amin’ny fanadiovana ny Madcap etsy Isotry, toerana itobian’ireo tsy manan-kialofana eto Antananarivo. Fanalana sy fanadiovana ny fivoahan-drano maloto (vidange de fosses) no hatao amin’izany. Eo koa ny famonoana otrikaretina sy bibikely (désinfection et désinsectisation).

Miara-miasa ny CHU Anosiala sy ny ONG Well International amin’ny fandidiana maimaimpoana ireo olona sima. Hatramin’ny 3 mey ny fisoratana anarana ho an’izay liana amin’izany. Na ankizy na olon-dehibe dia raisina an-tanana avokoa ary maimaimpoana ny fandidiana tanterahin’ny dokotera manam-pahaizana manokana amin’izany.

Partager sur: