Mbola marin-toerana ny Ariary amin’izao fotoana. Omaly, nisanda 4 744,68 Ar ny Euro iray eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Nisanda 4 134,13 Ar kosa ny dolara araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Marihina fa isan’ny vola hampiasaina amin’ny fividianana sy fanafarana entana avy any ivelany ny dolara. Ahina hiantraika amin’ny toekarena ny zava-misy maneran-tany amin’izao fotoana.
Nisitraka fampitaovana toy ny harato miisa 1190, tady miisa 2197, salotra vonjy aina miisa 112 ary fitaovana maro samihafa ireo mpanjono ao Toamasina. Tanjona ny hahafahan’izy ireo miverina mamokatra sy mampidi-bola indray. Marihina fa isan’ny lasibatry ny rivo-doza Gezani ny sehatry ny jono ao an-toerana izay niantraika tamin’ny fihariana sy ny fiveloman’ireo mponina.
Marin-toerana ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ao Vakinakaratra. Maharitra 1 hatramin’ny 3 volana eo ny tahiry misy ao an-toerana. Mitohy hatrany ihany koa ny famatsiana entana ho an’ny distrika. Manara-maso ny tsena sy ny vidin’entana ihany koa ny tomponandraikitra voakasika hisorohana amin’ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa.




