Voapoizina tamin’ny sakafo ny olona miisa 32 ka manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly, hatramin’izao. Namonjy fetim-pianakaviana teny Ambohijanaka izy ireo ny alahady teo. Tsy mbola fantatra ny sakafo nahatonga ny loza.
Arahi-maso akaiky eny anivon’ny hopitaly ny fahasalaman’ny olona miisa 32 mianadahy mianaka izay tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny fokontany Antovonany, kaominina Ambohijanaka, distrikan’ Atsimondrano, ny alatsinainy 13 avrily teo. Nitaraina ho marary kibo, nivalana sady marary an-doha avokoa ireo olona ahina ho niharan’ny fanapoizanan-tsakafo ireo, araka ny tatitra voaray avy amin’ny zandarimaria eo anivon’ny zana-tobi-paritra Ambohijanaka. Namonjy lanonam-pianakaviana ireo olona ireo nandritra ny alahady 12 avrily teo. Nikorana sy nifampizara hafaliana ireo fianakaviana maromaro ireo nandritra ny tontolo andro kanjo narary tampoka avokoa rehefa alina ny andro. Nipoitra tsikelikely ny soritr’aretina ary niatomboka tamin’ilay aretin-kibo izany. Niandry maraina anefa ireo lasibatra ireo vao samy namonjy toeram-pitsaboana.
27 eny amin’ny HJRA
Tsy nitazam-potsiny, nijery ifotony ireo olona azon’ ny tsy fahasalamana tampoka noho io fihinanan-tsakafo io, ireo ny tomponandraikitra ao an-toerana. 2 taona no zandriny indrindra tamin’ireo niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo ireo. Nalefa eny amin’ny hopitaly HJRA avokoa ny 27 mianadahy mianaka raha toa ka tsaboina eo anivon’ny CHRD Bongatsara ny dimy. Anatin’ny fanadihadiana tanteraka momba io tranga io ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tsy fantatra mazava hatreto ny sakafo niteraka io fahavoazana olona am-polony io. Na izany aza, tokony hitandrina hatrany ny tsirairay manoloana ny sakafo hohanina. Efa manomboka mafana ihany koa ny andro ka maro ireo sakafo mora mivadika ary mitarika amin’ny tsy fahasalamana.
Tsiferana R.




