Lehilahy iray, mpitondra moto, maty tsy tra-drano tetsy Ambodimita omaly hariva. Avy aty Antananarivo ilay kodiaran-dro notaingenana olon-droa. Nidona mafy tamin’ny taxi-be, zotra D, nifanena taminy izy ireo. Maty tsy tra-drano nandritra izany ny mpamilin’ilay kodiaran-droa. Tapa-tongotra ilay noentina. Efa nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly ilay naratra. Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana.
Jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisin’ny Sag tetsy Andohatapenaka Ankasina, ny alin’ny alatsinainy 13 avrily 2026 lasa teo. Maka vola tsy amin-drariny ary mandrahona ny mponina izy io. Namoaka basy tampoka izy rehefa nokasaina nosamborina. Voatery nifititra azy ny polisy ka nahalavo azy.




