Fifanarahana Samoa: Hametraka rafitra ara-toekarena maharitra

Hanamafy ny fiaraha-mi­asa ara-toekarena eo amin’ireo firenana mpikambana eo anivon’ny OEACP (firenena Afri­kana, karaiba ary Pasifi­ka). Eo koa ny fametrahana fampandrosoana maharitra sy iombonana. Ireo no tanjona ao anatin’ny fifanarahana Samoa. Natomboka omaly ny dinika fiaraha-miasa voalohany nataon’i Madagasi­kara sy ny Vondrona eoropeanina (UE) izay haharitra hatramin’ny taona 2044. Tanjona ny ha­metraka paikady hahazoana fitoniana ara-toekarena ho tombontsoan’ny vahoaka. Ni­voitra tao anatin’ny dinika fa mifanaraka amin’ny Fandaha­ranasan’ ny Politika Ankapo­ben’ny Fan­ja­kana ny tanjona mandrafitra ny fifanarahana. Ary mpiara-miombon’antoka lehibe amin’ny famatsiam-bola eto Mada­gasikara ny UE. Misy ao anatin’izany ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola. Tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana ny lafiny lalàna. Ny fanekena ny lalàna momba ny fampiasam-bola, ny fametrahana ny masoivoho manokana misahana ny fampiasam-bola, ny rafitra sa­mihafa ho an’ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, iarahana amin’ny Clim Invest.

Henintsoa

Partager sur: