Vary, menaka, voamaina, koba aina… Ireo ny tohana ara-tsakafo zaraina any atsimon’ny Nosy ao anatin’ilay hetsika « Vonje Longo ». Nisitraka izany ireo tokantrano 1859 tao Tsihombe tamin’ity herinandro ity.
Anisan’ny faritra iharan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro mivaivay ny any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Hain-tany mandavan-taona ka tsy hahafahan’ny olona mamokatra. Maro ireo iharan’ny tsifanjarian-tsakafo vokatr’izany ka anaovan’ny fanjakana hetsika manokana amin’ny alalan’ny «Vonje Longo».
Tao amin’ny Distrikan’i Tsihombe tamin’ity herinandro ity ny fizarana tohana. Tokantrano 1859 no nahazo tohana ara-tsakafo iatrehana ny fiainana. Nahitana vary, menaka, koba aina sy voamaina izany fanampiana izany.
Tsiahivina fa faritra telo ao Atsimo no hanatanterahana ny hetsika dia Anosy, Atsimo Andrefana ary Androy.
Taorian’ny fanadihadiana sy ny mari-drefy navoakan’ny IPC mahakasika ny ambana amin’ny tsifanjarian-tsakafo no nandraisana ny fepetra hanaovana ity hetsika «Vonje Longo» ity.
Natomboka tao Ambovombe ny hetsika fizaraha tohana ara-tsakafo izay tanterahin’ny BNGRC.
Fanampiana ara-tsakafo milanja 181 taonina no hozaraina amin’ireo marefo any atsimo ary vantany vao tonga any amin’ny faritra avy ireo fanampiana dia hotsinjaraina anatin’ny fotoana haingana hositrahan’ireo tena mila izany.
Mangasihasy i Toamasina
Etsy andaniny, mahatsiaro tena ho mangasihasy ireo traboina vokatry ny rivodoza Gezani any Toamasina manoloana ny fanampiana betsaka lavitra miohatra ny azon’ireo olona any Atsimo. Mahatsiaro tena mbola marefo ary tsy tafarina mihitsy ny mponina any Toamasina kanefa ankilabao raha oharina amin’ireo anaovana hetsika manokana any atsimo ireo. Manoloana ny fahapotehana sy faharavana any amin’ny faritra Atsinanana dia mahatsapa ho tena mbola mila tohana tanteraka ny mponina. Nanazava moa ny BNGRC fa efa misy ny lamina napetraka sy ny fandrindrana mahakasika ny fitantanana ny fanampiana sy tohana ho an’ireo mpiara-belona izay tokony hisitraka izany.
Tatiana A




