Croix Rouge Malagasy: Maro ireo mahafehy ny fiatrehana ny loza

Nanao tombana ny Croix Rouge Malagasy (CRM) nandritra ny atrikasa nataony. Tao anatin’ny roa taona izao dia efa maherin’ny 409 000 ireo olona voakasika ary manana fahavononana hiatrika ny karazana loza mitranga amin’ny andavanandrom-piainana na mandritra ny loza voajanahary.
Taorian’ny atrikasa famintinana ny programa fandaharanasa ho an’ny fiomanana sy faharetana manoloana loza maro (PPRM), nanamafy ny CRM fa rehefa mandray anjara sy manao fandrindrana miaraka ny vondrom-piarahamonina dia tena azo tsapain-tanana ny fananana faharetana manoloana loza.
Any amin’ny distrika 6 sy fokontany 48 ao amin’ny faritra Analanjirofo, Fitovinany, Atsimo Andrefana ary Menabe, dia efa nahatratra olona 409 168 ny programa tamin’ny alalan’ny asa mivaingana.
Teo ny fanombanana iarahan’ny rehetra amin’ny refin’ny faharefoana. Drafitra iombonana, rafitra fampitandremana mialoha, fanazaran-tena, fanentanana, fanohanana ireo ekipa vonjy taitra eo an-toerana, fanampiana amin’ny asa fivelomana, fanadiovana lakandrano ary fanatsarana fotodrafitrasa miaraka amin’ny fandraisan’anjaran’ireo mpilatsaka an-tsi­trapo.
Ho an’ny taona farany hanatanterahana ny PPRM dia mazava ny tanjona. Hohamafisina ny zava-bita, hanatsara ny fandraisana andraikitra manoloana ny vondrom-piaraha­monina…

Tatiana A

Partager sur: