Andohatapenaka: Mpirahavavy niara-maty sempotry ny afon-tsaribao

Hita faty tao amin’ny efitrano iray, tetsy Andohatapenaka I, ny ankizy mirahavavy, omaly maraina. Maty sempotry ny afon-tsaribao nasiana rano mafana tao an-trano izy ireo, raha ny fanazavana voaray.

Ankizy mirahavavy zanak’olom-piray tampo samy 14 taona, hita faty tao amin’ny efitrano iray tetsy Andohatapenaka I, secteur 3, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany. Efa samy tsy nisy aina intsony izy roa ireo tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Efitra fanaovana lakozia io natorian’izy roa ireo. Avy nisakafo izahay mianakavy tamin’ny 8 ora alina, afakomaly. «Nasaina nidin’izy roa avy anatiny ny varavaran’ny trano avy eo satria avy anatiny ny karetsaka », hoy ny fanazavan’ny riam-pianakaviana, izay nipetrahany taty Antana­narivo. « Mbola heno mitabataba tao izy ireo tamin’ny 9 ora alina ary nasaina natory sao tsy tafafoha maraina », hoy ihany ny fanazavana. Nanom­boka nandondona ny trano sy namoha azy roa vavy ny dadatoany nanomboka ta­min’­ny telo ora maraina. Izay ora fifohazana manao kafe. « Nihevitra aho fa mbola matory izy ireo ary tsy sahiko nokotabaisina », hoy ihany ny fanazavana. Tamin’ny 5 ora maraina, tonga ny zokin’izy roa vavy hamoha azy ireo mba handeha haka entana nefa tsy nisy namoha ihany. Lasa ihany koa izy io rehefa tsy nisy namoha. « Nodakako ny varavarana ary nopitsihana avy any ivelany ny karetsaka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina », hoy izy nitantara. Hita natory teo ambony fandriana ny iray. Raha nidaraboka tamin’ny tany ny faharoa. Notsapaina ary efa tsy nisy aina intsony. Nampandrene­sina mikasika ny zava-nitranga ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana ny sefo fokontany Andohatapenaka I sy ny polisim-pirenena ary ny avy amin’ny BMH.

Nisy ambina afon-tsarobao
Mbola nisy ambina saribao tao ambony fatana ny hariva ary nasiana rano mafana. “Nataingina tao ilay rano ary samy tsy nisy nahatsiaro izany intsony fa samy tonga dia nandeha natory “, hoy ihany ny fanazavana. Nahi­tana farora-bava izy roa vavy ireo tamin’ny fotoana nahitana ny razana, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Matetika izy roa vavy sy ny anabavin’ny rahalahin-drain’izy ireo no miara-matory ao amin’io efitra io. Tsy tafody io vehivavy iray io tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga noho ny asa ka izy roa vavy ihany no tao. Marihina fa nanao fialantsasatry ny Paska taty Antananarivo izy roa vavy ary nikasa hiverina any Soavinandriana Itasy rahampitso zoma saingy izao maty izao.

Mino

Partager sur: