Tanjombato : Olona telo naratra nianjeran’ny fiarabe

Nosokirina tao ambanin’ny fiarabe ny iray tamin’ireo olona telo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny Ambohimanatrika Andohavaho, kaominina Tanjombato, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Fiarabe iray nifatratra tampoka tao amin’ny tokantrano miisa roa sy tsena fivarotan’olona maromaro. Nifamonjen’ireo manodidina avy hatrany ireo olona voakasiky ny loza. Nihatrana teny an-toerana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina nanavotra ireo tra-doza. Tavela tao anatin’ilay fiarabe ny mpamily ary olona telo naratra vokatry ny loza. Tsy nisy aina nafoy saingy nanao sarotra ny famonjena ireo olona niharan-doza. Olona iray tapa-tongotra ary nentina namonjy hopitaly. Marihina fa fiara fampiasa manokana amin’ny fanaovana fotodrafitrasa an’ny eo anivon’ny orinasa misehatra eo amin’ny fitanterana an-dalamby ity nivadika omaly ity.

Tsiferana R.

Partager sur: