Fifaninanana Robotika : Ho any Abidjan ny sekoly Maarif Madagasikara

Mpianatra malagasy roa ao amin’ny sekoly Maarif no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny dingana famaranana, fifaninanana Robotika anankiroa, hatao any Abidjan. Miavaka tokoa ny fikarohana sy ny famoronana vitan’izy mianadahy.

Hatao any Abidjan Côte d’Ivoire, ny 21 avrily ho avy izao, ny dingana famaranana Science Fest Africa 2026. Mikarakara azy ny Fondation Maarif de Türkey. Miisa roa ny tetikasa Robotika handraisan’ny Malagasy an­jara, samy mpianatra mahay indrindra (major) ao amin’ny kilasy faharoa, Randrianirina Volan’Iaina, sy Tsiverilaza Thierry ao amin’ny kilasy voalohany. Handray anjara amin’ ny fifaninanana Randrinirina Volan’Iaina, manaraka ny rafi-panabeazana frantsay ao
amin’ny sekoly Maarif Mada­gasikara. Sokajy momba ny fahasembanana ny tetikasa noforoniny, « Hand to Voice », natao hanampiana ireo tsy mahay miteny. « Robot » iray no mandika ny teny tanana (langue des signes) amin’ny alalan’ny Faranatian-tsaina tsy voajanahary (IA). Mpia­natra amin’ny rafi-panabea­zana kosa i Tsiverilaza Thierry. Namolavola tetikasa « Har­vest board », « robot » iray afaka mioty voankazo. Tan­jony ny hanamaivana ny asan’ny tan­tsaha. Nampiofan-dRazaka­naivo Rija Herizo, ny mpampianatra robotika, ao amin’ny sekoly Iraisam-pirenena Maarif Bel’Air Talatamaty, izy mianadahy ireo.

Kolontsaina siantifika

Mifantoka amin’ny siansa, ny teknolojia ary ny fanavaozana ny Science Fest Africa (SFA). Mikendry ny hampivelatra ny fahaizan’ny mpianatra mamaha olana, hanana fisainana marolafy ary manamafy ny kolontsaina siantifika. Hetsika handraisana ireo tetikasa Robotika tafakatra amin’ ny dingan’ny famaranana, tanterahin’ny sekoly Maarif Côte d’Ivoire. Firenena miisa 25 aty Afrika, ary anisany ny Maarif Madagasikara. Haneho ny tetikasany eo anatrehan’ny mpitsara iraisam-pirenena ireo mpianatra. Tetikasa miom­pana amin’ny tontolo iainana, ny teknolojia, ny injeniereria ary ny siansa. Hitarika ny delegasionina malagasy hanotrona azy mianadahy, i Bilal Demirci, solontenan’ny sekoly Maarif Madagasikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: