Tetikasa Tafaray: Ho fanajana ireo mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny CSB

Mba hampaharitra ny fitaovana ara-medikaly ampiasaina eny amin’ny CSB dia nomena fiofanana ireo mpikirakira sy mpikojakoja ireny fitaovana ireny . Hampanarahana ny fivoaran’ny fitaovana ny fahaizan’izy ireo.

Fitantanana mirindra sy fampahafantarana ny fikojakoja ny fitaovana amin’ireny CSB ireny mba ho tena hositrahan’ny vahoaka eny ifotony. Io no fiofanana omena ireo mpiasan’ny fahasalamana eny anivon’ny CSB izay hatao eto Antananarivo hatramin’ny rahampitso, ao anatin’ilay tetikasa Tafaray.
Ny tobim-pahasalamana fototra eny anivon’ny kaomi­nina no tena akaiky ny vahoaka indrindra. Izany no hanome­zana fiofanana ireo mpiasan’ ny fahasalamana eny mba ho tsara fifandraisana amin’ny olona hampazoto ny mponina hitsabo tena.
Natao ho amin’izany in­drindra ny tetikasa Tafaray na PPSB hanamafisana ny traikefa eny ifotony. Na arifomba toy inona aza ny fitaovana ampiasaina dia zava-poana rehefa tsy voakojakoja. Ho azo ampiasaina maharitra sy mifanaraka amin’ny ara-medikaly no tanjona.
Mandray anjara amin’izany ireo tompon’andraikitra amin’ny fikojakojana ao amin’ ny distrika 51 izay miandrai­kitra CSB miisa 347. Zava-dehibe izao fiofanana izao satria ny fitaovana biomédical dia ilaina amin’ny fitsaboana, saingy raha tsy voakarakara dia mety ho simba haingana.
Araka izany, hatsaraina ny fahaiza-manao amin’ny fikojakojana, hatsaraina ny fitantanana sy fanaraha-maso, hampidirana fitaovana vaovao hanampy amin’ny asa eny amin’ireo CSB iasana ary hiantohana ny fiarovana ny marary sy ny mpiasa.
Saro-pady ny fitaovana medikaly kirakiraina eny amin’ ny tobim-pahasalamana. Ian­kinan’ny asan’ny dokotera sy ny fahasalaman’ny marary izy ireny ka tsy tokony hotsinotsiniavina. Ankoatra ny fahadiovan’ny fitaovana, ilaina koa ny fifehezana ny ara-teknika sy ny fikirakirana araka ny tokony ho izy. Zava-dehibe, araka izany, ny fanamafisana trai­kefa ho an’ireo mpikojakoja satria ny fitaovana rahateo mivoatra manaraka ny toetry ny andro ka tokony hifanaraka amin’izany ny fahaiza-manaon’ izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: