Fitaovana ampiasaina amin’ny fitsaboana ny homamiadana no azon’ny hopitaly Cenhosoa ny herinandro teo hanampy ireo efa ao an-toerana. Ny vola voaangona tamin’ ny hetsika “Gratitude en chanson” no nahafahan’ny malala-tanana nanolotra ireo fitaovana.
Miisa 10 ireo karazana fitaovana natolotra toy ny “Déambulateur, Pousse-seringue électrique, Bassin de lit, Matelas anti-escarre, Chaise roulante, Fauteuil pour chimiothérapie, Chariot de soins, Paravent 4 panneaux, Coussin orthopédique “.
Teo ihany koa ny rindran-kajy ho fanampiana ny sampandraharaha amin’ny fitantanana sy ny fandrindrana ny fotoana, ny fakan-kevitra, ny fandaminana ny fanaovana «chimiothérapie», ary ny fanarahana amin’ny antsipiriany ny valin’ny fitiliana ara-pahasalamana.
Marihina fa efa tamin’ny septambra 2017 no nisokatra tao amin’ny Cenhosoa ny sampandraharaha mikarakara ny homamiadana sy ny fanamaivan-jaly (Service d’Oncologie et de Soins Palliatifs na SOSP).
Mampisitraka fitsaboana sy fanohanana ho an’ny marary voan’ny homamiadana, manomboka amin’ny fahafantarana ny aretina ka hatramin’ny fialan’ny marary aina ity sampandraharaha ity. Araka izany, manambatra ny fahaiza-manao ara-pitsaboana, ny fikarakarana ny maha olona, ary ny fanabeazana ho an’ny mpianatra ho mpitsabo ny SOSP.
Tatiana A




