Miantso ireo tompon’andraikitra avy amin’ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika amin’ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.
Hotanterahina ny 24 avrily izao izany eny amin’ny efitrano fivorian’ny minisitera eto Antananarivo. Solontena roa isaky ny toeram-piofanana no andrasana ka tokony handray anjara amin’izany ny filoha na tale na rektora na ny tompon’andraikitry ny fanofanana izay mahatapa-kevitra mihitsy.
Hojerena ny fanatsarana ny tolotra fampianarana sy ny fanamafisana ny rafitra miantoka ny kalitao ary ny fitsipika momba ny fanomezan-dalana ny toeram-pianarana sy ny fankatoavana ny lalam-piofanana.
Mbola betsaka ny gaboraraka eo amin’ny sekoly ambony tsy miankina izay efa anaovana ezaka anatin’ny hetsika “Fosika” ka efa nahatrarana tranga maromaro. Ilaina ny fitohizan’ny ezaka ary tokony ho hentitra ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso ireo sekoly ambony tsy miankina ireo.
Tatiana A




