Fahamaizan’ny biraon’ny polisy tany amin’ny kaomisaria Vohemar tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampondra, ny herinandro lasa teo. Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana ny polisim-pirenena, iraky ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, omaly. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana mikasika iny tranga iny, mba hahafantarana ny tomponandraikitra. Iarahan’ny polisy sy ny zandary avy any Sambava manao izany.
Lehilahy miisa efatra voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Moramanga ny harivan’ny 17 avrily 2026 lasa teo. Voarohirohy tamin’ny resaka fanendahana sy harom-paosy niaro herisetra tany Tsarahonenana, ny alin’ny 13 avrily lasa teo izy ireo. Efa eo am-pelatanan’ny polisim-pirenena ao Moramanga avokoa ireo jiolahy ireo. Hatolotra ny fitsarana aorian’ny famotorana izy ireo.
Nanao fanentanana mahakasika ny fikajiana ny fahadiovana, tetsy 67 Ha, ny polisim-pirenena omaly. Nitarika izany, ny lehiben’ny Kaomisaria lefitra ao Tsaralalàna, ny Commissaire de Police Randriamparany Ted Steven, niaraka tamin’ny lehiben’ny Kaomisaria boriborintany fahafito. Nampahatsiahy ny rehetra fa miteraka aretina maro ny fiparitahan’ny loto sy ny fako, indrindra amin’ny toerana misy rano mitobaka sy maloto.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny fokontany Ambohidroa, kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe ny 16 avrily 2026, tamin’ny 8 ora maraina lasa teo. Fiara roa samy Toyota no nifandona tamin’ny lalana. Avy any amin’ny lalan-tany ny fiara iray ka tsy nijanona fa avy tonga dia nandeha. Vokany, nifatratra tamin’ny fiara iray hafa. Tsy nisy ny aina nafoy fa nahitana ratra madinika teo amin’ireo olona tao anatin’ny fiara roa tonta.




