Voafehy ny ady amin’ny andiam-balala any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tanteraka izany vokatry ny tohana nataon’ny FAO sy ny Banky iraisam-pirenena ny governemanta malagasy.
Azo antenaina ny hiroboroboan’ny fambolena any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy amin’ity taom-pamokarana 2026 ity. Antony, voafehy ny ady amin’ny adiam-balala ary tsy atahorana hihanaka intsony. Maherin’ ny 200 000 ha ny veleran-tany voatondraka fanafody, tamin’ny alalan’ny ady an-tanety sy ana habakabaka. Nampiasana helikoptera ny 2/3-n’ny tamin’ny hetsika natao. Manome fanantenana ny mpamboly izao ezaka lehibe ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA) izao. Hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha, hitondra fampandrosoana isam-paritra sy ho an’ny firenena.
Nitsidika tany Sakaraha sady nankahery ary nanome fankasitrahana avy amin’ny fanjakana ny minisitry ny Fambolena, Ramindo Gaëtan, ny 18 avrily teo. Nanotrona azy koa ny mpitantana ny Ivontoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM). Nisaotra manokana ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, toy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena misahana ny ara-tsakafo (FAO) sy ny Banky iraisam-pirenena ny minisitra. Mitentina 2 tapitrisa dolara ny vola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, nentina nampitaovana ny IFVM. Antenaina fa hisy akony izany tohana izany amin’ity taona 2026 ity.
Hampilaza haingana raha misy tranga
Nanentana ny mpiasa rehetra any an-toerana sy ny tantsaha mpamokatra ihany koa ny minisitra, Ramindo Gaëtan, mba ho samy hanohy ny ezaka efa natao. Hampilaza haingana ireo manam-pahefana raha toa misy tranga miseho, mba hisorohana ny fihanaky ny valala. Satria mbola ao anatin’ny ady amin’izao fotoana izao.
Marihina, fa hafindra any Ankazoabo indray ny toby ana habakabaka, manomboka anio, 21 avrily, noho ny fahavitan’ny ankamaroan’ny velaran-tany tany Sakaraha.
Njaka
Andriantefiarinesy




