Nihaona tamin’ireo mpitatitra any Toliara, ny minisitry ny Fitaterana, Andrianavalona Herizo, ny 18 avrily teo. Voalaza fa ho hamoraina ny fahazoan’ny mpitatitra ny piesy sy ny kojakoja amin’ny fiarakodia. Hetahetan’ny mpitatitra ny hanarenana haingana ny lalam-pirenena. Noresahana ny tsy fandriampahalemana eny an-dalana, ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, sns.
Nifantoka tamin’ny laharam-pahamehan’i Madagasikara ara-toekarena, ny fihaonana « Spring Meetings » tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena tany Washington DC, Etazonia. Nohamafisina sady ho tohizana ihany koa ny fiaraha-miasa amin’izy ireo. Nitarika ny delegasionina malagasy ny minisitry ny Toekarena, ny Dr Ramiarison Herinjatovo.
Nahazo fiofanana tamin’ny Bianco ireo mpiasan’ny Birao miady amin’ny kolikoly ao amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy (BTDLC), ny herinandro lasa teo. Nisitraka ity fanamafisana ny fahaiza-manao ity izy ireo, entina hamaliana ny filan’ny vahoaka. Nifantohan’ny fiofanana ny fanabeazana sy ny fisorohana. Nampahatsiahivina ny fitsipi-pitondran-tena sy ny fisorohana ny kolikoly amin’ny tsenambaro-panjakana, ohatra.




