Nidona tamin’ny takelaka dokambarotra: Lehilahy iray nitondra moto maty tsy tra-drano tetsy Itaosy

Maty tsy tra-drano, nianjera tamin’ny moto tetsy Anosimasina Itaosy ny alin’ny alatsinainy teo, Ambinitsoarivelo Yvon. Nivoaka ny lalana ny moto noentiny ary nidona mafy tamin’ny takelaka dokambarotra. Potika tanteraka ny lohany sy ny tarehiny.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Ano­simasina Itaosy, ny alin’ny alatsinainy 21 avrily 2026 lasa teo tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Lehilahy iray, antsoina hoe : Ambinitsoarivelo Yvon, 20 taona, nitondra kodiaran-drao marika Triumph 750 cc no nidona mafy tamin’ny takelaka dokambarotra tetsy akaikin’ny farmasia Garcia Anosi­masina Itaosy. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena teny Itaosy, nandray zava-pisotro mahamamo io lehilahy niharan-doza io. Nandeha mafy izy nefa tsy nahatana ny familiana ka nivoaka ny lalana ny moto noentiny. Nidona mafy tamin’ilay takelaka dokambarotra tsy lavitra teo izy sy ilay kodiaran-droa. Vokany, maty tsy tra-drano izy satria potika sy vaky ny lohany. Novonjena haingana tany amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha saingy tsy avotra intsony, raha ny fanazavana voaray hatrany. « Avy any Andranonahoatra ary nikasa andeha hody any Ambo­hidrapeto izy tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza », hoy kosa ny dadany.

Mpilalao taranja tenisy

Ekipam-pirenena malagasy amin’ny lalao taranja tenisy ambony latabatra ity lehilahy ity. Ankoatra izay, « mpankafy kodiaran-droa ihany koa ny tenany fony fahavelony », hoy ihany ny dadany. Nambarany fa manana karazana kodiaran-droa maro isan-karazany izy ary tena ankafiziny tanteraka izany. Andrasana eny Ambohidrapeto ary halevina ny zoma eny an-toerana ihany ny razana. Tsiahivina fa efa namoaka ranty tamin’ny tambajoatra an-tserasera ny tenany talohan’ny loza. Nam­barany tamin’izany fa matin’ny zavatra tiany izy raha sanatria ka matin’ny moto.
Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana amin’ny kodiaran-droa noho ny hamamoana tato ho ato. Ezaka ataon’ny mpitandro filaminana ny manara-maso ireo mpitondra moto sy ny fanentanana ny hidian’ny tsena fivarotana zava-pisotro mialoha. Antony iray mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fampiarahana ny familiana sy ny zava-pisotro mahamamo.

Mino

Partager sur: