Orinasa Bravura : Fiaramanidina telo hitsirihina ny harena an-kibon’ny tany

Hofantarina avy eny amin’ny habakabaka amin’ny alalan’ny sidina ataon’ny fiaramanidina ny toerana ahitana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Nanolotra izany ny fanjakana malagasy ny orinasa afrikanina Bravura.

Natao sonia ny volana desambra teo ny fifanarahana fiaraha-miasa eto amin’i Madagasikara sy ny orinasa Bravura. Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Patrick ny diany tany Toliara, farany teo, ny fandraisana ireo fiaramanidina miisa 3 avy amin’ity orinasa ity. Azon’ny fanjakana malagasy ampiasaina ireo fiaramanidina ireo, ka ahafahana manao sidina hamantarana ireo toerana misy ny harena an-kibon’ny tany eto Mada­gasikara ny roa amin’izy ireo. Ho fantatra amin’ny alalan’izany sidina hatao izany koa hatramin’ny fatra sy ny tahirin’ireo harena an-kibon’ny tany, ny karazany ary ny fotoana ilaina amin’ny fitrandrahana. Ma­rihina fa orinasa lehibe indrindra aty Afrika, ny Bravura.
Natao ity fifanarahana eo amin’ny roa tonta ity, mba hananan’ny fitondram-panjakana malagasy antontan-kevitra mazava mikasika ireo harena ambanin’ny tany eto Madagasikara.
Maharitra enim-bolana ny sidina fitsirihina hataon’ireo fiaramanidina, izay hatomboka any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Homen’ny Bravura maimaimpoana ny fanjakana malagasy ny antontam-baovao azo. Tanjona, ny hikarohana mpiara-miombon’antoka ho entina mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika, mba hitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy.
Mitohy ny Vara Mada

Ankoatra izany, fantatra fa nifanaraka ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana sy ny Sekreteram-panjakana Lefitra amerikanina, Christopher Lan­dau, mikasika ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ataon’ny orinasa amerikana, Vara Mada, ny ala­tsinainy teo, tany Wa­shing­ton. Vonona ny roa tonta hampiroborobo ny varotra, ny fampiasam-bola, mba hiteraka asa, hampiditra hetra amin’ny fanjakana, ary ny fananganana fotodrafitrasa samihafa eto amintsika.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: