Fantatra fa ahitana fikorontanana ny famatsiana lasantsy SP95, amin’izao fotoana izao any amin’ny faritra vitsivitsy. Araka ny fampahafantarana avy amin’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo (OMH), voakasik’izany, ny any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy, toa an’i Mahajanga, Antsohihy, Antsiranana ary Nosy Be. Antony nahatonga izany, ny fahataran’ny sambo « caboteur » mpitatitra solika, izay miainga avy any Toamasina. Satria, voatery tsy maintsy niandry ny famoahana ireo solika nafarana avy any ivelany, tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny 13 avrily teo. Manampy izany, ny fandaminana maro samihafa eo anivon’ny seranan-tsambo.
Ho an’i Mahajanga, efa misy ny fiarabe, mpitatitra solika maromaro, niainga avy aty Antananarivo, hanampy ny famatsiana lasantsy SP95 ireo toby mpaninjara solika any an-toerana sy ireo toerana maromaro manodidina. Ho tonga tsy ho ela koa ny sambo mpitatitra.
Vinavinaina ho tonga any Antsiranana alohan’ny faran’ity herinandro ity kosa ny any Antsiranana, sady hamatsy an’i Nosy Be. Mitohy ny famatsiana tobin-tsolika amin’ireo faritra ireo hatramin’ny fahatongavan’ny sambo « caboteur ».
Njaka A.




