Efa miroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana « Prix Paritana » andiany fahafito ny mpikarakara. Tsapa ny ezaka ataon’ny mpikarakara amin’ny fampandrosoana ity sehatra ity.
Nahazo ny fampiofanana sahaza azy ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahafito. Fampiofanana nampahafantarana azy ireo mahakasika ny fifaninanana, ny fanomanana sy fikarakarana ny taratasy fandraisana anjara ary momba ny taratasy fisoratana anarana. Tanjona amin’izao ny haha matihanina kokoa ny fifaninanana. Eo ihany koa ny fanampiana sy fampirisihana ny mpandray anjara.
Tonga namaly ny antson’ ny mpikarakara ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahafito, ireo maniry ny handray anjara amin’izany fifaninanana izany. Voafetra ho 20 ihany no afaka manao ny fiofanana. Fifampizarana, fizarana traikefa sy fanampiana fanazavana. Ireo no natolotra ny mpandray anjara nandritra izany fiofanana izany. Isan’ny nanatrika izany i Mahefa Dimbiniaina, mpaka sary, nandrombaka ny andiany fahenina tamin’ity fifaninanana ity. Ankoatra izay, nanatrika ny fampiofanana nentin’ny mpikarakara ihany koa i Grace Dorothée, mpanakanto vahiny, manao ny zavakanto maneho ny zava-misy ankehitriny.
Efa miditra amin’ny andiany fahafito sahady ny fifaninanana izay natao ho an’ny mpanao kanto malagasy sy monina eto Madagasikara. Zavakanto arak’endrika amam-bika sy zavakanto an’efijery no entina mandray anjara amin’ny fifaninanana. Misokatra ho an’izay mahafeno fepetra, araka izany, ny fifaninanana. Efa nisokatra tamin’ny 10 janoary 2023 ny fisoratana anarana ary tsy hifarana raha tsy ny 26 marsa 2023. Hahazo tombony maro ny tetikasa voafantina. Isan’ izany ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika ny fanatanterahana ny tetikasa.
Tanjon’ny mpikarakara ny hitrandrahana ny talenta eo amin’ireo karazana zavakanto ireo.
Lin (Mpianatra asa)