VAOVAO TAMBATRA

Napetraka omaly teny Ambohijanamasoan­dro ilay vata mpanova herinaratra, manana tanjaka 160 KVA. Nametraka izany avy hatrany ireo teknisianina mba hamerenana ny famatsiana eny amin’ny faritra Ampitatafika, Faliarivo, Ambohimamory, Ambohijana­ma­soandro ary Vinany. Tsiahivina fa may ny vata mpanova herinaratra ka nampiato ny famatsiana herinaratra teny an-toerana.

Hotanterahina ny 11-15 mey any Maldives ny fivoriana faha-30 ny CTOI. Hijoro ho an’ny fitantanana maharitra ny jono Lamatra sy ny toekarena i Mada­gasikara. Mikahondoha mandinika ireo tolo-dalàna rehetra voaray avy amin’ireo firenena eo anivon’ny CTOI ireo teknisianina eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Miady hevitra miaraka amin’izy ireo ny mpanjono sy ireo mpiara-miombon’antoka. Tanjona ny hahazoana tolo-dalàna iraisana ho an’ireo delegasionina malagasy.

Vokatra voahodina mba hiteraka sanda fa­nam­piny. Izay ny fanamby apetraka amin’ireo mpandraharaha te hisitraka ny tombontsoan’ny ZLECAF. Niara-nijery ireo vahaolana sy ny fomba hanamorana ny fahafaha-mifaninana ao anatin’ny faritra malalaka arabarotry ny kaontinanta Afrikanina ity ny fanjakana sy ny mpandraharaha, nandritra ny roa andro

Partager sur: