Nazava be io tenin’i Dama (Tarika Mahaleo) io, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fampisehoana notontosain’izy ireo tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. «Mbola manao tolom-pahafahana isika. Tsy mbola afaka sy tsy mbola mahaleo tena isika», hoy izy. Notohizany tamin’ny hoe : «Aoka tsy hiandrasana ny hafa ny hanavotra antsika Malagasy». Ankoatra ny maha mpanakanto azy, tsy azo hadinoina fa nandalina manokana momba ny fiainam-piarahamonina i Dama.
Azo inoana fa tsy tosiky ny hafanam-po fotsiny no nahatonga ity andrarezin’ny hira malagasy ity hiteny tahaka izany fa vokatry ny zava-misy marina hitan’ny maso, ren’ny sofina, azo tsapain-tanana… Tsy tena mbola hita taratra ny maha firenena mahaleo tena an’i Madagasikara. Miankin-doha atsy, miandrandra fanampiana avy aroa. Tsy afa-manao zavatra raha tsy tantana-mandeha, sns. Mbola ny vahiny no toavin-teny any amina sehatra maro…
Ny fahaleovantena tsy mbola azo, ny fiverenana eny an-doharano hatrehina. Izany hoe, tahaka ny milohaloha rano roa siny ihany ny Malagasy raha atao indray mijery. Iza amin’ireo no hatao laharam-pahamehana ?
Miankina amin-javatra maro vao azo ny tena fahaleovantena. Anisan’ireny ny politika. Raha mbola forongom-bazaha no mitantana ny firenena iray, tsy ho azony mihitsy io tena fahaleovantena io. Tahaka izany koa ny toekarena. Raha mbola voagejan’ireo vahiny ny ampahany lehibe indrindra amin’io sehatra io, tsy ho afa-mikofoka ny valalabemandry. Ho an’ny kolontsaina indray, raha mbola ny an’ny vahiny no omena laka sy atao eo an-doloha, ho takona hatrany ny an’ny Malagasy.
Fototra anisan’ny goavana indrindra hoenti-mandrombaka ny tena fahaleovantena ny fananana fanabeazana tsara sy mirindra ary ny fahaiza-miaina sy mampiaina ny kolontsain’ny tena hifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy marina.
HaRy Razafindrakoto