Ny 21 febroary no tapaka maneran-tany fa ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenim-pirenena. Toy ny fanaony isan-taona, hanamarika izany ny Havàtsa-Upem, amin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo amin’ny teny malagasy isam-paritra. Hetsika hotontosaina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Amphi 10, Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy siansa maha olona (FLSH), manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ravahin’ny Tafasiry Kolokanto amin’ireo hira maneho ny hakanton’ny kalo malagasy (tonony, feony, ny rindran-javamaneno…) ny antsa. Marihina fa anisan’ny fikambanana manome lanja sy hasina ary mampivelatra ny tenim-pirenena ny Havàtsa-Upem.
HaRy Razafindrakoto