Namono olona roa tao Ampangabe mahitsy: Maty voatifitra i Bengilo, jiolahy raindahiny

Iray volana taorian’ny vono olona nahatsiravina tao Ampangabe, namoy ny ainy, rehefa nikasa handositra zandary, ny jiolahy tompon’antoka iray antsoina hoe i Bengilo.

Nirefodrefotra ny basy! La­von’ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny, tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana tao Voro­damba, kaominina Mahi­tsy, ny alatsinainy 21 avrily, ta­min’ny 9 ora alina. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana na­hafate­sana olona tao Ankidon­dona, fokontany Soaman­jaka Avara­tra, kaominina Ampan­gabe, ny 12 marsa lasa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ireo olon-dratsy, tamin’ny 11 ora alina. Tsy vitan’ny nandroba fa notifirin’ireo tsy mataho-tody koa ny vehivavy miisa roa tao amin’io tokantrano niharan’ny fanafihana io. Namoy ny ainy, nandritra izany, ny vehivavy miisa roa. Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra voakasika sy ny kaompania Ambohidratrimo. Nokaro­hina ny olona roa anisan’ny tompon’antoka tamin’io fanafihana io.

Voatifitra mialoha
Lavo nandritra ny fifandonana tao Ampangabe i Dafa, ny 15 marsa, iray tamin’ireo roa lahy nokarohina. Nitohy ny fitadiavana ireo tsy mataho-tody ka voasambotra tao amin’ny kaominina Arivonimamo, i Bengilo. Nitoroka ireo namany niara-nanao ny asa ratsy ity farany. Nanaiky hitarika ireo zandary amin’ny toerana ahafahana misambotra ny namany izay atao hoe Remenabila. Nigadona tao Mahitsy niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, nanararaotra handositra tao anatin’ny haizina i Bengilo. Maty voan’ny bala tamin’io fotoana io izy rehefa tsy nanaiky ny fampitsaharana azy mba tsy hitsoaka. Mitohy ny fikarohana ilay namany.

Tsiferana R.

Partager sur: