Halatra kaontera : Olona valo voasambotry ny polisy

Olona valo, nahitana lehilahy enina sy vehivavy roa, voasambotry ny polisy teo anelanelan’ny 17 sy 22 avrily 2026. Voarohirohy amin’ny resaka halatra sy fivarotana kaontera jiro mora sy fisandohana ho mpiasan’ny Jirama izy ireo. Naharay fitarainana maro mahakasika ny halatra sy ny fisian’ireo tambajotra mitety tokantrano mangalatra kaonterana Jirama eny amin’iny faritra Atsimondrano iny. Nanao fikarohana, araka izany, izy ireo mba hahafahana misambotra ireo olon-dratsy. Vokany, olona iray monina eny an-toerana, voasambotra ny 17 avrily teo. Niaiky ny heloka vitany izy rehefa nohadihadian’ny polisy ary nanondro ny namany roa lahy hafa. Voasambotra teny Ankaraobato, ny 20 avrily 2026 teo, ny lehilahy iray hafa. Tompon’antoka tamin’ny fivarotana sy fametahana kaontera halatra sady mitonona ho mpiasan’ny Jirama izy io. Nahitana kaontera iray hafa koa tao an-tranony nandritra ny fisamborana azy. Vehivavy roa, mpandray entana halatra, voasambotra ny 20 sy 22 avrily 2026, teny Ambatoroka. Niampy lehilahy roa hafa voasaringotra ho niray tsikombakomba tamin’io raharaha io. Mbola miatrika fanadihadiana eny amin’ny kaomisaria izy ireo. Marihina fa niainga tamin’ny fitarainana nataona tokantrano iray teny Ambohima­natrika Tanjombato, izay lasibatr’io halatra io, ny 17 avrily 2026 lasa teo, no nahafahana nisambotra ireo olon-dratsy ireo. Nisy olona niditra antsokosoko tao an-trano ary nangalarin’izy ireo ny kaontera.

Mino

Partager sur: